Choralie 2010 - Lisitry ny hira
Aussi disponible en mode diaporama…
Ho an'ny AMF Antsa Fanilo Nancy,
Ho an'ny FPMA Nancy sy ny Faritany Avaratra Atsinanana,
Ho an'ny Birao Foibe FPMA,
Ho an'ny AMF Faritany 6,
Ho an'ny AMF Tafo 37 sy AMF FM FPMA,
Ho an'ny Faritany FPMA 6 sy ny Tafo FPMA 37,
Ho an'ny FM FPMA,
Ry Havana,
Ho ampitomboina mandrakariva ao aminareo anie ny fiadanan'ny Tompo,
Misaotra an'Andriamanitra Lehibe isika tamin'ny nandrotsahiny ny fahasoavanyka nahatratran'ny AMF ny faha-20 taonany ary koa ny nahatontosa ny lasin-kira Choralie andiany faha-11 tany Nancy. "Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy" Salamo 127.1
Mankasitraka koa ny asa lehibe niantsoroan'ny AMF Antsa Fanilo Nancy, ny Tafo FPMA Nancy ary ny Faritany Avaratra Atsinanana tamin'ny fikarakarana rehetra manodidina ny Choralie. Andriamanitra hamaly fitia anareo.
Mankatelina ny AMF Tafo 37 tamin'ny famaliana ny antso rehetra hanatrika ny Choralie. Mirary soa ho antsika rehetra eo am-piandrasana ny Choralie 2012. Aoka samy hitondra am-bavaka izany fotoana izany.
Misaotra ihany koa ny Birao Foibe FPMA tamin'ny fanotronana rehetra tsy nandritra ny efatr'andro niarahana ihany, fa hatramin'ny fanomanana sy fikarakarana rehetra.
Maneho ny fisaorana ihany koa ho an'ireo mpiara-dia izay tonga nanotrona ny AMF na nandritra ny lasin-kira na nandritra ny antsam-panahy.
Eto am-pamaranana dia mirary soa ny AMF Fiderana Paris sy ny Tafo FPMA Paris amin'ny fanomanana ny Choralie 2012.
Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika mandrakariva.
Amin'ny anaran'ny Birao AMF 2008-2010 sy 2010-2012.
Rado Ramarotafika
Vaomiera Serasera

